Toekarena

Fiara Gasycar Ho vokarin’ny Gasy’car VIP ?


  • Alarobia 24 Jona 2020

ny fanambaran’ny filoham-pirenena Malagasy fa hisy ny fananganana orinasa mpamokatra fiarakodia antsoina hoe Gasycar dia nampahatsiahy tantara fohy ny orinasa Gasy’car VIP. 6 taona lasa izay dia nisy mpinamana miisa roa avy any

 

 

 

 

 

Antsirabe nihazo an’Antananarivo tamin’ny taksiborosy. Maty teny an-dalana ny fiara ary tsy afaka novelomina teo no ho eo ka noho izany dia voatery niverina tao Antsirabe ireto tanora roa ireto. Teo am-pisainana iny voina iny no nampitsiry ny hevitra hanangana orinasa misehatra amin’izay tontolon’ny fiara izay teo amin’ireto “gasy” roa ireto ary hampilamin-tsaina ireo mitaingina izany no tanjona. Teraka teo noho izany ny Gasy’car VIP, hoy ny fanazavana, ka mbola manantena hihaona aminareo tsy ho ela. Fampahafantarana fohy izay midika ve izay fa ho vokarin’ity orinasa ity ilay fiara Gasycar ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT