Nampahafantarina tany Nairobi Kenya ny 29 septambra lasa teo ny fiaraham-piaraha-miasa goavana eo amin’ny Jubilee Holdings Limited na Jubilee
Insurance (JHL) izay vondrom-piantohana na « groupe d’assurance » goavana indrindra aty Afrika Antsinana sy ny Allianz, iray amin’ireo sampan-draharaha fiantohana sy fitantanana mielim-pantrana manerana izao tontolo izao. Fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika hatao amina firenena miisa 5 aty Afrika izay iasan’ny Jubelee. Hiantsorohana ireo rantsam-piantohana « assurance non vie » miompana amin’ny resaka fanorenana io, ka i Kenya, Tanzanie, Ouganda no hiasana, ary hisy rantsana misehatra amin’ny fiantohana ao anatin’ny fotoana fohy kokoa any Burundi sy Nosy Maorisy. Hitazona ny asany amin’ny fiantohana ara-pahavelomaa sy fisotroan-dronono ary ny fiantohana ara-pahasalamana any Kenya, Ouganda ary Tanzanie ny JHL. Hanana fandraisana anjara betsaka amin’ireo rafitra tsirairay mitentina 10,8 miliara KES (84 tapitrisa Euros na 100 tapitrisa dolara) ny Allianz, ary hitazona ny fandraisan’anjara ambany kokoa (minoritaire) kosa ny JHL. Hisy ny fanovana amin’ny rantsan’ny JHL any Ouganda sy Tanzania ahafahan’ny Allianz ho lasa mpiara-miombon’antoka amin’ny JHL amin’ny « filiales non vie » ao amin’ity vondrona JHL ity, ka hanana petra-bola 51% ary 66% any amin’ireo orinasa tsirairay. Tombanana ho mitana ny 12,5% amin’ny petra-bola ao anatin’ny JHL ireo « sociétés non vie », izay 32,3 miliara KES (252 tapitrisa euros) eo ny tombany ny 30 jona 2020. 100 tapitrisa eo ny mpanjifan’ny Allianz izay manana ny foibeny any Allemagne, saingy mielim-pantrana amina firenena 70 eo eto ambonin’ny tany. 12 amin’ireo ny eto Afrika, ary miantsoroka tsenan’asa 49. Mahatratra 142 miliara euros ny renivolany maneran-tany ary 11,9 miliara ny tombony tamin’ny asany ny 2019 ; Mirehareha amin’izao fivoarana manan-tantara ho an’ny Jubilee Insurance izao isika, hoy NizarJuma, Filohan’ny JHL. Iray amin’ireo fiantohana sy mpampiasa vola goavana ao amin’ny faritra CIMA (Conférence Interafricaine des Marchés d’Assurance) ny Allianz ary manana toerana mafonja any Maroc, Nigériia, ary Ghana.. Tsy andrintsika ny hidirana amin’ny tsenan’asa manan-danja any Afrika Atsinanana ,… ary ny JHL dia mpiara-miombon’antoka ahafahantsika manatanteraka ny fanamby, hoy kosa i Coenraad Vrolijk, Directeur Général Régional sady mpikamban’ny Comité Exécutif Régional Allianz Africa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.