Toekarena

Fianarantsoa Azo hanaingana ny toekaren’i Madagasikara


  • Talata 15 Janoary 2019

Nifaly havanja sy nitotorebika ary nikorana ireo zanaky ny faritra dimy dia Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania izay mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Myrah Ambatomaro.

 

 

 Nahitana solontena avokoa ny isaky ny distrika nandritra ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao 2019 ary nisy ny fifankahalalana misimisy kokoa nanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina. Tamin’ny lahateny nifandimbiasana no nanasongadinana fa Faritany manankarena i Fianarantsoa ary harena azo iaingana sy hanombohana ny fampandrosoana sy ny fanalana ny vahoaka anaty fahantrana lalina izany.
Anisan’ny faritany tena resy amin’ny sehatra fampandrosoana ny any kanefa manankarena olona manampahaizana ary maro ihany koa ny otrikarena ao aminy. Ananany
ihany koa ny ranomasina izay any amin’ny ilany atsinanana mitandavana mamaritra ny faritr’i Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ka miteraka fampiroboroboana ny fizahantany. Ny
aty afovoan-tany indray dia ravahin’ny ny harena ankibon’ny tany sy ny omby. Tokony hanankarena mihitsy ity faritany ity ary hisy akony amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara iray manontolo mihitsy saingy olana ny fandriampahalemana. Ny any ambony mantsy lanin’ny dahalo ny omby, ny any amorontsiraka lasan’ny jiolahy indray ny voly fanondrana raha tsy hiteny afa tsy ny lavanila. Tahaka ny faritra hafa nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona dia nisy hatrany ny hafatra ho an’ny filoham-pirenena vaovao ny amin’ireo hetaheta, indrindra ny velirano sy ny vina ao anaty IEM natao tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra.


Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT