Raha fidinan’ny vidim-piainana sy fihenan’ny fahasahiranana no andrandrain’ny rehetra fa atolotry ny fanjakana amin’ity taona vaovao 2018 ity, dia ny mifanohitra amin’izany tanteraka no hiseho. Vao miandoha ny taona , dia efa velon-taraina sahady ny mpandraharaha sy ny tokatrano mivelona amin’ny fampiasana herinaratra.
Voalaza fa hihatra ao anaty faktiora manomboka amin’ity faran’ny volana janoary ity mantsy ny fikaran’ny vidin-jiro 10 hatramin’ny 15% ho an’ireo tokantrano na orinasa mandany jiro mihoatra ny 25Kwh. Mazava ho azy fa hitombo ny famoaham-bolan’ny orinasa sy ny tonkantrano mahalany mihoatra io fetram-pandaniana voafaritra io. Ny asa fandraharahana miha mitotongana, indrindra amin’izao vanim-potoana izao, saingy izay no hany vahaolana hitan’ny fanjakana fa mety. Ny tolotra omen’ny JIRAMA etsy andaniny, dia mbola maro no mimenomenona noho ny fahatapahana matetika indrindra ho an’ny eto Antananarivo. Tsy manan-tsafidy anefa ny mpiasa, ary karazan’ny tafiditry ny politika hafahafa mihitsy ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity, ka maro amin’ireo mpiasa no tsy faly amin’izany. Marihina fa voasokajy ho lafo indrindra aty Afrika ny saran’ny herinaratra eto Madagasikara, izay tena vesatra lehibe ho an’ny Indostria sy mampihemotra ny mpandraharaha misehatra. Sehatra isan’ny tena tsy marin-toerana rahateo io indostria io eto amintsika amin’izao fotoana izao, ka ankoatra ny hetra midangana takiana amin’ny mpandraharaha Malagasy misehatra amin’izany, dia io ihany koa ny resaka vidin-jiro miakatra, izay mety hipaka amin’ny isan-tokantrano mihitsy atsy ho atsy. Azo antoka, fa hisy fiantraikany amin’ny rehetra io satria rehefa mitombo ny fandanian’izy ireo, dia hampiakatra ny saran’ny vokatra izy mazava ho azy. Ny fitobahan’ny entana avy any ivelany, izay mamono sy manakona tanteraka ny indostria Malagasy etsy andaniny mandeha hatrany. Ahiana ho maro indray ny indostria hikatona noho ireo antony samihafa ireo. Mba rahoviana ihany vao mba handraharaha am-pilaminana sy tsy hovolosana lava ny mpandraharaha, kanefa tsy mba misy tamberim-bidy ho azy e?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.