Toekarena

Fiaingan’ny toekarena Tompon’andraikitra voalohany ny filoha, hoy ny FMI


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Tamin’ny zoma 15 febroary farany teo no nandalo indray ny iraky ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay tarihin’i Marshall mills nanao ny tomban’ezaka andiany fahefatra nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC)

 izay tokony ho efa natao tamin’ny taona 2018. Araka ny mahazatra moa dia sady nankatoavina sy nekena ny vokatra azo ny amin’ny fiharian-karena faobe. Na izany aza dia nametraka izy ireo fa tokony hihoatra ny 5% hatrany ny harinkarena faobe amin’ity taona 2019 ity. Tena ilaina hatrany izany  hahitan’ny rehetra ny tombontsoa hampisondrotana ny fari-piainam-bahoaka. Ankoatra izay, nilaza ireo iraky ny FMI fa olana ny fampiasana ny teti-bolam-panjakana nandritra ny enim-bolana faharoa vokatry ny tsy fahampian’ny vola niditra noho ny fotoam-pifidianana. Niavosa ihany koa ny trosam-panjakana noho ny fahataran’ny fanitsiana ny vidin-tsolika antsinjarany. Nanamafy ireo iraka ireo fa mila hafainganina ny fahamarinan-toeran’ny toekarena mifandraika amin’ny FEC ary tompon’andraikitra voalohany ny filoham-pirenena sy ny governemanta vaovao. Mila havaozina sy hatsaraina ny fitantanana ny hetra sy ny fikirakirana ny vola miditra, indrindra ny fampiasana ny trosa. Fanamby lehibe mila atrehina kosa ny famaritana ny fikajiana ny vidin-tsolika sy ny fanatsarana ny taha-bokatry ny orinasa JIRAMA. Ankoatra izay, nilaza ny governoran’ny Banky foibe fa niakatra hatrany amin’ny 1,6 miliara dolara ny tahirin’ny vola vahiny misy ao. Miandry sy mitaky ny fahaiza-manaon’ny filoha sy ny governemanta vaovao ny rehetra mba hipaka haingana be amin’ny toekarena ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola tahaka itony. 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT