Toekarena

Fiaingan’ny toekarena Malagasy Ilaina ny fampandrosoana ny faritra


  • Zoma 13 Aprily 2018

Ankoatra ny fitoniana ara-politika dradradradraina mandrakariva dia antoky ny fiaingan’ny toekarena ny fampandrosoana ny faritra.

 Tsy mandeha ny toekaren’ i Madagasikara raha tsy mandroso ny faritra tsirairay misy ao aminy. Iaraha-mahalala fa mitodika betsaka any amin’ny fambolena ny Malagasy ka tokony jerena akaiky ny faritra rehetra izay saika misy hatrany io sehatra io eto. Io ilay lazaina hoe fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Ankoatr’izay dia ampandrosona ny faritra amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny zavatra ananany tombony sy betsaka ao aminy. Raha faritra manana lavanila na misy harena an-kibon’ny tany ohatra dia miainga amin’izany ny fampandrosoana atao.  Hitondra fanatsarana ny fari-piainan’ny isam-batan’olona izany rehetra izany. Fa  ilaina ihany koa  ny fanabeazana izay tena latsaka ambany eto amintsika. Tokony hisy politikam-pampianarana maty paika miainga eny amin’ny faritra rehetra indrindra ny eny ambanivohitra izay kitoatoa tanteraka ny fampianarana. Hampiakatra ny fananana olona afaka manao zavatra tsara sy  tsy mora ambakaina izany. Rehefa izay dia handroso ny faritra tsirairay ary hiainga amin’izay ny toekarenan’i Madagasikara.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT