Toekarena

Fiaingan’ny toekarena Azo ahena ny sehatra fambolena


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Na dia nahitana fitomboana kely ary ny fandraharahana amin’ny sehatry ny orinasa dia tsy amin’ny tokony ho izy eto Madagasikara. Manome 15% monja amin’ny tahan’ny harinkarena faobe ny sehatra Indostria.

 

 

 

Izany no mahatonga ny sehatra famokarana sy ny fanondranana ho ambany dia ambany eto amin’ny firenena ka mahatonga hatrany ny fatiantoka ara-barotra. Misy fepetra maro anefa tokony harahina  raha tiana ho tonga amin’ny tanjon’ny fampandrosoana ny sehatra indostria. Raha ny eto Madagasikara dia tsy maintsy ahena aloha ny filofosana mandrakariva amin’ny sehatra fambolena izay hita ho efa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Mila misehatra amin’ny famokarana sy ny fampiroboroboana orinasa tahaka ireo firenena matanjaka toa an’i Eoropa, Amerika ary ny Japoney ny Malagasy ka mametraka ny maha izy azy. Ny fampiroboroboana ny sehatra indostria no nahalasa lavitra tamin’ny fotoana fohy ny firenena Koreanina Tatsimo, Espaina, Gana ary Argentina, araka ny tatitry ny Banky maneran-tany koa maninona i Madagasikara no hiafiafy kanefa manana tombony ho tafita amin’izany lalana izany ? Tsy andrankandramana foana anefa fa mila atao matotra ny sehatra asa tanana sy ny fanondranana ireo vokatra efa vita mba hiteraka tombony ara-bola ka hanetsika haingana ny toekarena. Rehefa tsara ny vokatra dia mitombo be ny tinady ka hiteraka fiakaran’ny sehatra fanondranana ary hipaka amin’ny famoronana asa maro izay hahasalama tanteraka ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT