Toekarena

Fiaingana indostrialy eto Madagasikara Natomboka ny alatsinainy teo ny fifampidinihana


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Natomboka ny alatsinainy teo ny fifampidinihana eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana na ny atao hoe ‘’dialogue Public Privé” (DPP)

 izay niarahan’ireo departemantana minisitera sy sehatra tsy miankina voakasik’izany eto Madagasikara. Araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria ary ny fanjifana dia hifantoka indrindra amin’ireo olana mampikatso ny fiaingana indostrialy eto Madagasikara izy io noho izany toe-javatra izany ho antony mampihisatra ny fampandroana ekonomika eto amin’ity firenena ity. Samy hitondra ny sosokeviny sy ny vahaolany ny isan-tsehatra ao anatin’izany mba hahatongavana amina tanjona feno ahitana vahaolana fohy ezaka sy lavitra ezaka. Efa finiavana lehibe ny fanekena hiara-kidinika toy izao, hoy hatrany ny fanazavana, ka antenaina fa hamoaka stratejia mahomby izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT