Taom-pahombiazana ho an’ny CNaPS ny taona 2017. Be ny bainga voavadika mikasika ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpiasa hisitraka ny zony. Mbola maro koa anefa ny fanatsarana kasaina hatao amin’ny taona manaraka.
Antsirabe renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantrano ny fanakatonana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana 2017 ho an’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Hetsika telo sosona no nanamarihana izany dia ny fampiofanana ireo vondrom-bahoakam-paritra nahitana ben’ny tanàna sy filohan’ny mpanolotsaina ary STC miisa 247 mianadahy. Faharoa ny fampiofanana ireo sehatra tsy miankina momba ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa nahitana mpandray anjara 297. Ary fahatelo ny fananganana ny klioba CNaPS Zandriolona. Fa anisan’ny nampiavaka ity taona ity ny fanamarihan’ny CNaPS ny faha-60 taona nisian’ny fiahiana ara-tsosialy voarindra teto Madagasikara ka niavaka tamin’izany ny hazakazaky ny firahalahiana sy ny firaisankina (na ny course de la fraternité et de la solidarité) izay nentina nitety ny faritany 5 ankoatra an’Antananarivo. Ny fitokanana ny CEO (Centre d’Ecoute et d’Orientantion) etsy amin’ny CNaPS 67Ha ary ny loabary an-dasy nampitondraina ny lohateny hoe : “Hay ve zany ?” nokarakarain’ny CNaPS nanasana fikambanana tanora sy olo-manankaja maro ary ny fiarahamonim-pirenena ary nalefa tamin’ny fahitalavitra maro teto amin’ny Nosy ny 29 septambra izay androm-pirenena natokana ho an’ny fiahiana ara-tsosialy.
Tohana ho an’ny vondrom-paritra
Maro ny mpiasan’ny kaominina mandeha misotro ronono no miala maina fa tsy mandray CNaPS vokatry ny tsy fandoavany latsakemboka. Eo amin’ny loharanom-bola miditra amin’ny vondrom-bahoakam-paritra no olana ka mahatonga ny trosa miavosa. Noho izany dia niroso tamin’ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny Tale jeneraly CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul ny amin’ny fanomezana tohana ny mpitantana ny Kaominina. Tamin’ity taona 2017 ity dia faritra 17 no voatety. Distrika 82 sy kaominina 1 247 no nahazo tombontsoa ary mpandray anjara miisa 3 524 nahitana Ben’ny tanàna, filohan’ny filankevitra kaominaly ary mpitam-bola na STC (Secrétaire Trésorier Comptable).
Mikasika ny fiofanana ihany fa amin’ny sehatra tsy miankina dia mpampiasa sy mpiasa miisa 2 810 no nomen’ny CNaPS fiofanana tamin’ny alalan’ny SASS (Service d’Actions Sanitaire et Sociale). Ka fiofanana 34 no tontosa tamin’ity 2017 ity.
Fiaraha-miasa amin’ny FLM sy FJKM
Efa vita tamin’ny taona 2016 ny fanofanana nomen’ny CNaPS ireo sekoly katolika ao anatin’ny Fanabeazana katolika (DINEC) manerana ny Nosy. Natomboka tamin’ny 21 jona 2017 kosa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Taorian’ny sonia teo amin’ny tale jeneraly CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul sy ny filohan’ny FJKM ny Mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi dia niroso tamin’ny fidinana ifotony ny roa tonta. Hatreto, synodam-paritany 11 amin’ny 38 misy no voaofana ary nahatratra 844 ny mpiofana nahitana mpitandrina, mpitantana sekoly ary mpandraharaha amin’ny tetikasa samihafa toy ny SAF. Resaka finoana izay ihany dia ny 9 oktobra 2017 no vita ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy Arizaka Rabekoto Raoul sy ny pastora Rakotonirina David filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).
Tanjona ny hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasan’ny FLM satria maro ireo misedra olana rehefa handeha hisotro ronono. Fantatra fa mampiasa olona maro ny FLM ary araka ny antontan’isa dia mahatratra 1 500 ny Pastora, 250 ny vehivavy téôlôjiana, ao ireo katekista. Ankoatra ireo dia misy ny miasa eny anivon’ny dispensaire miisa 40, ny hopitaly lehibe miisa 10, ary maro an’isa ireo mpandraharaha sy mpanabe miasa eny anivon’ny ny sekoly tsy latsaky ny 700 isa manerana an’i Madagasikara. Ao koa ireo mpiasa manabe ireo jamba sy marenina, ary ireo miantsehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Toy ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia ny CNaPS no mandray an-tanana ny fiahiana ara-tsosialin’izy ireny. Hatreto dia ny FLM Maintirano sy Amboasary Atsimo no efa nahavitan’ny CNaPS tantsoroka amin’ny alalan’ny fiofanana mikasika ny mahazava-dehibe amin’ny fananana fiahiana ara-tsosialy.
CNaPS manakaiky vahoaka
Anisan’ny fandaharanasan’ny CNaPS ny mamboly kolontsaina entina mampiroborobo ny fiahiana ara-tsosialy (na ny PPPS : Progamme de Promotion pour la Protection Sociale). Anisan’ny nahazo tamin’ity taona ity i Nosy-Be Hell-Ville sy ny nosy Sainte-Marie ary ny faritra Vatovavy Fitovinany sy SAVA. Ireo toerana ireo dia samy nanaovana atrikasa niarahana tamin’ny mpitsara, ny sendika, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpampiasa, ny mpiasa ary ny fikambanana maro samihafa. Nasaina manokana ny mpitsara mba hahalalany ny zon’ny mpiasa satria matetika dia misy amin’ireo raharaha eny amin’ny fitsarana manolana ny mpiasa sy ny mpampiasa. Nampahalalaina ny adidiny ny mpampiasa ny amin’ny fanaovana fanambarana filazan-karama sy ny fanefana ny latsakemboky ny mpiara-miasa aminy. Ny mpiasa koa nampahafantarina ny zony izay misy karazany telo dia ny fanampiana ny finakaviana, ny fanampiana raha tra-doza am-perinasa ary ny fisotroan-dronono. Ankoatra ny atrikasa dia misy ireo tranoheva natao manakaiky vahoaka satria mbola maro ny olona no matahotra miditra birao rehefa hikarakara antontan-taratasy. Misy ihany koa ny fidinana ataon’ireo mpiasan’ny CNaPS hanomezana tan-tsoroka sy torohevitra ho an’ny mpiasa sy ny mpampiasa eny anivon’ny orinasa
Fitokanana birao sy tendro
Mikasika izay fanatonana akaiky ny vahoaka izay dia birao anankiroa no notokanana tamin’ity taona 2017 ity dia ny biraon’i Manjakandriana sy ny biraon’Anosizato.
Miisa roa ihany koa ny tendro notokanana dia ny any Hell-Ville sy ny any Vohémar. Antom-pisian’ireny rantsamangaikan’ny CNaPS ireny ny hanakaikezana ny mponina ka mba tsy hampivezivezy azy ireo hamonjy ny masoivoho amin’ny renivohi-paritra rehefa hikarakara antontan-taratasy momba azy.
Klioba CNaPS Zandriolona (CCZ)
Ankoatry ny olon-dehibe dia tsy diso anjara amin’ny CNaPS ihany koa ny ankizy sy ny tanora satria dieny kely izy ireo dia entanina hahalala ny maha zava-dehibe ny fananana fiahiana ara-tsosialy. Izy ireo mantsy no ho mpiasa sy ho mpampiasa rahampitso. Tamin’ity taona 2017 ity dia sekoly fianarana miisa 17 no nananganana Klioba CNaPS Zandriolona (CCZ). Mahatratra 2 350 ny tanora sy ankizy mpikambana ary mpanabe miisa 108 no miahy azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.