FIA 2023

Manome lanja ny tantsaha Malagasy ny STAR


  • Zoma 22 Septambra 2023

Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika

Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono karakarain’ny HazoVato Forello sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Trano eva manodidina ny 150 isa no mandray anjara amin’izany izay mampahafantatra ireo karazam-bokatra misy eto amintsika sy manasongadina ny asan’ireo tantsaha izay manomboka amin’ny fikarakarana ny tany hambolena mampahatongan’izy ireny eny am-pelatanan’ny mpanjifa. Ho an’ny orinasa Star manokana izay manana trano eva eny an-toerana dia nisy omaly ny fampahantarana ny mpanjifa ireo karazana akora ilaina amin’ny fanamboarana ireo zava-pisotro vokariny toy ny ozinina Malto. Anisan’ireny ny varim-bazaha izay avy amin’ireo tantsaha no fiaviany ary tohanan’izy ireo sy ampiany. Nampahafantarin’izy ireo ny mpanjifa omaly ihany koa ilay tetikasa kopakelatra izay maka sy mitsimpona ireo tavoahangy plastika miparitaka eny rehetra eny ho fiarovana ny nofon-tany. Tsiahivina moa fa samy manana ny maha-izy azy avokoa ireo trano eva mandray anjara eny an-toerana no sady manasongadina ny tena maha-Malagasy. Tonga nanokatra ny lanonana teny an-toerana ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Atoa Harifidy Ramilison.
Pati
Legende : Ireo ekipan’ny orinasa Star miaraka amin’ireo tantsaha mpiara-miasa aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT