Toekarena

Fetison Rakoto Andrianirina Atsangano ny vaomiera ara-toekarena sy sosialy


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Amin’ny alalan’ny fakan-kevitra mivelatra no itondran’ny tsirairay ny anjara birikiny hoenti-manarina ny toekarana sy ny sosialy aorian’ny valanaretina

 

 

coronavirus, hoy Atoa Fetison Rakoto Andrianirina Filohan’ny RDM (Roso ho amin’ny Demokrasia Sahaza). Misy fitsinjaran’asa telo mazava ny tolo-kevitra nataony. Voalohany ny fiantsoana ireo manan-kevitra amin’ny fananganana ny drafi-pahamehana mamaly sy mitondra vahaolana mifanandrify amin’ny filan’ny mponina. Apetraka ny sehatra iray hanangonana ireo tetikasa sy tolo-kevitra heverina fa hahomby. Faharoa ny fifantenana sy fametrahana vaomiera hisahana ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka asiana mpikambana antsoina noho ny fahaizana manokana, ary asiana mpampakan-teny miisa roa. Anjaran’io no mandrafitra ireo fepetra azo ampiharina miainga amin’ny tolo-kevitra voaray. Tsy azo hamaivanina anefa ny fakana ny tolo-kevitry ny Governemanta, antenimiera roa tonta, ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Fahatelo ny fanolorana ireo tolo-kevitra havoakan’ny Filoha hanan-kery rehefa nodinihin’ireo antenimiera roa tonta.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT