Toekarena

Fetin’ny aterineto Nomena lanja ny marika Malagasy


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Nankalazaina tetsy amin’ny Akademia malagasy etsy Tsimbazaza omaly ny « Madagascar Internet Day » na ny andro natokana ho an’ny aterineto, izany hoe fetin’ny aterineto eto Madagasikara.

  Araka ny fanazavan’i Simon Lee, filoha mpanorina ny Openflex dia tokony hampirisihana amin’ny fampiasana kokoa ny marika malagasy na ny .mg  ireo mpisehatra amin’ny fananganana sy fitantanana ary fikirakirana ireny tranonkalam-pifandraisana ireny. Tsy ny marika .com irery akory, hoy izy, na .fr no mahenika izao tontolo izao fa ny .mg ihany koa.  Mpianatra marobe avy amina sekoly ambony maro samihafa moa no niatrika atrikasa ho fanomezan-danja azy ity teny an-toerana omaly hatrany.  Raha ny fanazavana dia saika variana any amin’ny fampiasana ny marika .fr  sy ny marika .com avokoa ny mpanjifa. Hatreto dia miisa 3.764  ireo olona voasoratra anarana mampiasa ity marika iray  ity eto amintsika. Mitombo mpanjifa vaovao 750 isan-taona izany raha araka ny fanazavana ary manaporofo fa mety sy tsara izy raha ho an’ny tontolon’ny internet eto amintsika no sady marika azo antoka. 59.000 Ar iary no ahafahana mividy io marika .mg io raha somary lafolafo kokoa ny marika .fr fampiasan’ireo mpanjifa  any Frantsa sy ny .com fampiasa manerana izao tontolo izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT