Toekarena

Festival de fibre naturelle Hivondronan’ny mpandraharaha vehivavy


  • Talata 08 Oktobra 2019

Hivondrana ho iray ao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny 10 hatramin'ny 13 oktobra izao ireo vehivavy mpandraharaha amin'ny asa tanana amin'ny alalan'ny festival de fibre naturelle.

 

 

 Hisy ny fampiofanana momba ny varotra, ny fandrariana, ny fomba fangalana loko amin'ny akora natoraly amin'ny alalan’ny aterineto, Efa misokatra amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny asa tanana Malagasy ary ny any Eoropa no tena ahitana ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny asa tanana. 10 hatramin'ny 15% an'ny harinkarena faobe eto Madagasikara no azo amin'ny alalan'ny fanaovana asa tanana. Amin'izao fotoana izao anefa dia mitaraina ireo mpamokatra noho ny fitobaky ny entana avy any ivelany sy ny fanondranana ny akora mivantana any ivelany izay mamono ireo mpandraharaha madinika. Tsiahivina fa ny80-%n’ny vehivavy mpandraharaha Malagasy no mirona amin'ny fanodinana asa tanana ary tena vitsy amin'izy ireo no miditra amin'ny sehatra ara-dalàna sy matihanina. Olana goavana sedrain'ireo mpandraharaha ireo ihany koa ny tsy fahampian'ny akora fototra ampiasaina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT