Fepetra momba ny famerenam-bola avy any ivelany

Mitady izay ho arapaka ny fanjakana fa efa tena banky ropitra…


  • Zoma 09 Febroary 2024

Raha ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra natao ny alarobia hariva teo dia

voalaza fa hoe anisan’ny mampitotongana ny sandan’ny Ariary ny tsy fahampian’ny famerenam-bola avy any ivelany (rapatriement de devises). Ka tanjona apetraky ny fanjakana ao anatin’ny 100 andro ny fampiakarana ny tahan’ny famerenam-bola avy any ivelany ho 86%. Mila jerena manokana ihany koa , hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny fanaraha-maso ny fivoaham-bola mankany ivelany amin’ny alalan’ny fifehezana ny fanafarana entana avy any ivelany sy ny fandefasana vola vahiny ao amin’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola na ny MID, ho an’ireo orinasa voakasik’izany. Tahaka izao ny zava-misy : misy orinasa manana fahazoan-dalana hisehatra amin’ny afakaba (Zones franches) kanefa lasa manafatra vary ka mazava ho azy fa lasa tsy voakasiky ny fepetra eo anivon’ny tsenan’ny fifakanalozam-bola. Tanjona ny hampiakatra ny tahan’ny fandefasana vola ao amin’ny MID ho 76%. Mazava ny resaka eto fa sahirana ara-bola ny fanjakana Malagasy ka mitady ny fomba rehetra hampitomboana ny vola eo am-pelatanana. Mbola voaporofo ihany koa izao fa maivana ben y tohana sy famatsiam-ola voarain’i Madagasikara noho ny tsy fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ny fitantanana eto. Miha mazava ihany koa izao fa misy orinasa mety ho voasazy ato ho ato noho io hafetsifetsena milaza hoe orinasa afakaba io kanefa hay manafatra vary. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe fa nahoana moa no tsy natao efa hatrany amin’ny taona 2019 izao fandraisana fepetra izao satria efa maro ihany ny feo nandeha fa misy ireo orinasa sy mpandraharaha manafina ny volany any ivelany. Ary misy ireo olona milaza fa akaiky ny mpitondra mitady tsy hanaja ny lalàna sy fitsipika amin’ny resaka fampiasam-bola.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT