Toekarena

Fepetra hitsinjovana ny orinasa Mila fanaraha-maso ny fanatanterahana azy


  • Zoma 19 Jona 2020

Tsy dia vahaolana maharitra ny fanemorana ny fandoavan-ketra indrindra fa ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany.

 

 

 Misy ilay fampindramam-bola 40 tapitrisa dolara ankoatra ny fanalefahana ara-ketra. Fanampiana tsy misy tamberiny na “subvention” toy ny hita any amin’ny firenen-drehetra any ivelany no irian’ny mpandrahahara. Na izany aza dia efa zava-dehibe ny finiavana hifampitsinjo sy hanalefaka ny fahasahiranana sy ny vesatry ny orinasa. Hatreto dia vola haloha ihany ny hetra, fa ny fe-potoana no mihemotra. Isan’ny noresahina ny fifampiresahana amin’ny Jirama amin’ny resaka angovo sy amin’ireo miantsoroka ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny fanalefahana ny fandovana izany. Mila mazava ny fepetra, ary arahina fanaraha-maso (mésure d’accompagnement) ny fanatanterahana sao sanatria ny fanjakana manome toromarika fa ireo sehatra voakasika tsy te hahalala. Tany aloha, ohatra, dia nisy ny hoe miato ny famerenam-bola nindramina tamin’ny banky fa nisy banky tsy te hahalala izany teto. Mety hiseho io any amin’ny sehatra hafa toy ny fitsaboana sy fizaham-pahasalamana ohatra, ka avy eo ny mpiasa no mety ho lasibatra hoe ianareo tsy nandoa latsakemboka, kanefa mety toromarika avy any amin’ny fanjakana ny fahafahana manemotra ny fandoavana izany. Efa misy sahady mantsy ny fitarainana re mahakasika izany amin'izao fotoana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT