Toekarena

Fepetra fiarovana ny indostria madinika Nampidi-bola 24 miliara Ar ny ANMCC


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Ny fiarovana ny indostria madinika sy salantsalany no ho laharam-pahamehan’ny ANMCC (Autorité Nationale Chargée des Mesures Correctives Commerciales) na ny Manam-pahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra amin’ny ho avy.

Nosokafana omaly 18 may maraina tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina ny fanamarihana ny fahadimy taonany, izay notarihin’ny Tale Jeneraliny Atoa Barthélemy. Nanao fanadihadiana miisa folo, nandray fepetra fiarovana telo dia ny momba ny paty, savony ary ny bodofotsy ny ANMCC. Ny fampiharana ireo fepetra fiarovana dia nahazoana vokatra 24miliara Ariary. Misy orinasa 11 niforona ary asa 900 isa tao anatin'ny nametrahana ny fepetra ara-barotra, hoy ny tale jeneraly. Antony hirosoana amin'ny fametrahana ny fepetra ara-barotra ny fiarovana ny tsena anatiny, ny famokarana ny vita malagasy ary izay rehetra mifandray amin'izany. “Tokony ho tohanana, ampiana ary indrindra arovana ireo toeram-panodinana miisa 75 izay hapetraka amin’ny alalan’ny Taninketsa Indostrialy”, hoy kosa ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Rakotondramanana Onja Miandry. Tanjona ny fampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany ary hampitomboana ny vokatra eto an-toerana mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamarika ny tontolo andron’ny omaly ny foara fampirantiana eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina sy ny famelabelaran-kevitra ao amin’ny CCIA Antaninarenina ihany. Manentana ny indostria rehetra mila fanampiana hanatona azy ny ANMCC, na indostria vao miforona aza. Ezaka hanatsarana ny indostria eto madagasikara avokoa izao ataon'ny ANMCC izao hoy ny eo anivon'ny minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

Toky R
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT