Toekarena

Fepetra fampiasam-bola sy kolikoly “Tsy hisy mpamatsy vola hidi-kizo amin’io”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Mieritreritra hanao fampiasam-bola 10 250 miliara Ar ho an’ny sehatra tsy miankina ny Fanjakana ao anatin’ny tetibola 2022.

Ny Kabinetra Rothschid et Compagnies izay nosafidian’ny fanjakana mba hanetsehana ny sehatra tsy miankina iraisam-pireneena sy hanamora ny fitsofohan’i Madagasikara amin’ny tsena iraisam-pirenena momba ny ara-bola ve tena hahavita hanatsimbadika sy hahita zava-baovao sy vahaolana tena mifandraika amin’ny olona ateraky ny ady sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy ? hoy ny minisitra teo aloha Atoa Zaza Ramandimbiarison. Nambarany fa ny azo antoka, io ady io any Ukraine io dia hampitombo ny tsy fahamarinan-toerana ho an’ny orinasa sy ny mpampiasa vola tsy miankina eto amin’izao tontolo izao. Ny fahamafisan’ny fepetra momba ny fampiasam-bola dia hampihemotra azy ireo tsy hanapa-kevitra hampiasa vola eto Madagasikara raha toa ka tsy misy ny fanavaozana mba hisarihana azy ireo amin’ny asa tena mahomby sy azo mitombina, manampy izany ny fitantanana mahasintona azy ireo, izany hoe : ny fampiharana ara-bakiteny ny « tolérance zéro » na ny tsy fandeferena na kely monja aza manoloana ny kolikoly. Eo am-pelantanan’ny governemanta vaovao ny safidy raha tena manana fahaiza-manao sy tena «Tia Tanindrazana » izy ireo, hoy Atoa Zaza Ramandimbiarison. Na izy ireo tena vonona sy sahy miasa dia hiabo ny vokatra ka hanana fitokisana amin’ny ho avy ny Malagasy, ary raha ny mifanohitra amin’izany, dia vao mainka ho ratsy toerana eo anatrehan’ny Malagasy, koa « wait and see » na sady miandry no mijery izay hafitsony indray, hoy Atoa Zaza Ramandimbiarison.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT