Toekarena

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

 

Ekena fa ireo tosika ara-tsosialy nataon` ireo mpiara-miombon` antoka iraisam-pirenena dia efa ezaka goavana. Saingy hatreto, ireo fepetra natao hanohanana ireo mpiasa sy ireo mpandraharaha dia tsy mbola mazava tsara. Maro amin` ireo mpisehatra amin` ny fizahan-tany toy ny hotely sy trano fisakafoanana dia efa tsy an` asa nanomboka ny 23 martsa lasa teo. Ireo sehatra tsy mifandraika amin` ny varotra ihany koa dia voakasika izany. Inona avy ireo fepetra ho raisin` ireo tompon` orinasa manoloana ny zava-mitranga? Fotoana izao ho an` ny Fanjakana hanamafisana ireo fepetra efa noraisina tamin` ny roa herinandro lasa izay manoloana ny fanamoranana ny famerenana trosa, na koa fandoavana herinaratra… Manoloana izany, maro ireo mpandraharaha, toy ireo trano fisakafoanana sy mpivarotra, no misedra ny fandoavana hofan-trano. Tsy afa-manoatra rahateo ireo tompon-trano na koa ireo misehatra amin` ny taotrano (immobilier). Andrasana, araka izany, ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ny fanohanana ireo orinasa Malagasy tsy an-kanavaka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT