Toekarena

FEOI andiany faha-12 Hitrandraka ny tsenan’i Afrika


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Hotanterahina any Saint Dénis La Réunion amin’ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao ny Fihaonambe ara-Toekaren’ny Oseana Indiana (FEOI) andiany faha-12.

 

Nampahafantarina tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria tetsy Antaninarenina ny fizotran’ny hetsika izay narahana mivantana avy any La Réunion tamin’ny alalan’ny Vidéo-Conférence. Hetsika ara-toekarena izay hifandraisan’ireo Nosy ao amin’ny Oseana Indiana ary handray anjara mavitrika amin’izany ny firenena Malagasy. Ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria izay miisa 24 manerana an’i Madagasikara no mandrindra ny asa rehetra ary tanjona ny hahazoan’ny firenena Malagasy tombony amin’ity hetsika goavana ity. Ny mampiavaka ity andiany faha-12 ity dia ny fisian’ireo firenena afrikana vahiny nasaina ka anisan’izany Kenya, Mozambika, Afrika Atsimo ary Tanzania. Samy handresy lahatra ireo firenena ireo ny amin’ny vokatra sy ny fandraharahana ireo mpandray anjara. Fotoana hampiroboroboana sy hambolena fifandraisana ara-toekarena ihany koa io. Homen-danja manokana amin’ity foara be ara-toekarena ity ny “huiles essentielles” sy ny nomerika izay sehatra efa nahatafarina sy nahalasa lavitra firenena maro. Tsiahivina fa efa in-3 i Madagasikara no nandray ny FEOI ary vao tamin’ny taona 2018 teo no natao teto izany ka 165 ny Malagasy nandray anjara. Nahatratra 320 ny mpandray anjara rehetra tamin’izany. Amin’ity andiany faha-12 ity dia miisa 400 ireo mpisehatra andrasana ho tonga  any Saint Denis ary miisa 200 000 ireo orinasa haranty avy amin’ny Nosy 6. Mila misisika mafy i Madagasikara amin’ny hetsika ara-toekarena lehibe sahala amin’itony satria izao no fanararaotana fitadiavana lalam-barotra sy hijerena ireo mpiara-miombon’antoka tsara iarahana miasa amin’ny fandraharahana atao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT