Nandalo teny amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ireo manao ny tomban’ezaka mijery sy manamarina ny fenitra EITI (Extractive Industries transparency Initiative)
alohan’ny hamoahana ny tatitra amin’ny fankatoavana faharoa. Efa nihaona tamin’ny orinasa, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra maro mahakasika ny harena ankibon’ny tany izy ireo ary anjaran’ny minisitera no nandalovana nandritra ny herinandro. Anisan’ny hamarinina sy hampitahana amin’izao fandalovana izao moa ny vola nambaran’ny orinasa mpitrandraka ny harena ankibon’ny tany sy ny vola voarain’ny fanjakana Malagasy taona 2017 sy 2018. Eo ihany koa ny fiantraikan’ny tetikasa hitarafana ny fampandrosoana nentin’izany eny amin’ny faritra anaovana fitrandrahana. Tamin’ny 29 desambra 2019 no niatrika ny ho fankatoavana faharoa i Madagasikara ary efa voapetraka soamantsara ny antontan-taratasy mahakasika izany. Rehefa izay dia hiroso ny avy eo amin’ny EITI hanamarina eny ifotony amin’ireo sehatra rehetra voakasika. Ny fampiharana io fenitra io dia antoka iray ho an’i Madagasikara fa miroso amin’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany isika, hoy ny minisitra Fidiniavo Ravokatra teny Ampandrianomby omaly. Ny faharoa izay lehibe indrindra dia ny fanomezana antoka ho an’ny mpampiasa vola fa firenena azo hanaovana fandraharahana tsara i Madagasikara
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.