Toekarena

Fatiantoky ny Tiko AAA Mitentina 800 tapitrisa ariary


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017

Mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nanakatonan’ny fanjakana ny orinasa Tiko AAA any Andranomanelatra Antsirabe. Nambara ho tsy nahazo alalana ara-tontolo iainana ny orinasa, ka nakaton’ny fanjakana tamin’ny anaran’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny minisitra Ndahimananjara Johanita sy ny minisiteran’ny Indostria tarihin’i Tazafy Armand.

Nambara ho tsy nahaloa hetra sy tsy nahazo fankatoavana ara-tontolo iainana ny orinasa, izay marihina fa herintaona mahery izay no nisokafany, saingy amin’izao fotoana vao miseho ny fisomparana. Eo am-panatontosana ny taratasy ara-dalàna ny orinasa no tratry ny kapa ranjo tampoka. Maro ny orinasa tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ao Antsirabe, saingy ny Tiko AAA no ezahina potehina sy hilam-baniny na tsy nisy aza ny resaka fitarainana ara-tontolo iainana nataon’ny vahoakan’Antsirabe. Misy anefa ny orinasa lehibe ao Antsirabe no manary rano maloto sy potika akora simika ao amin’ny reniranon’i Sahatsio, saingy hodiana tsy hita satria an’ny mpandraharaha vahiny. Ny Malagasy ihany no potehina sy hilam-baniny, indrindra fa sady mpanao politika ilay mpandraharaha. Mikasika ity raharaha Tiko AAA ity aza moa dia voalaza fa ny mpandraharaha vahiny te hamotika ny orinasa Malagasy no nanambitamby volabe ny fanjakana hanao izao sotasota izao.

Fatiantoka goavana                                                               

Tsy voalaza ao anatin’ny didy navoakan’ny fanjakana hoe tapahana tampoka ny jiro, ary tsy misy minisiteran’ny angovo maneho izany mihitsy ao anatin’ny taratasy fanakatonana, raha ny fanazavan’ny talen’ny fitantanana ny Tiko AAA, Lanto Rabenatoandro. Miteraka fahavoazana goavana izany satria misy entana be dia be ao ary mora simba avokoa. Ny fitaovana izay mandeha ho azy na “automatique” dia nikorontana tanteraka. Tena nahaloa Jirama izahay, ka ny voaloa aza tapahana, hoy izy. Toerana lehibe na  “Appartement” iray no tsy nahaloa jiro, dia ny “building” rehetra no tapaka, raha ny fanazavany. Raha ny fanadihadiana natao, dia mahatratra hatrany amin’ny 800 tapitrisa ariary ny vidin’ny zavatra mora simba tavela ao anatin’ny orinasa ankehitriny. 42 ny mpiasa nanokatra ny orinasa tany am-piandohana. 800 ny kosa ny mpiasa ankehitriny ankoatra ireo tantsaha an’arivony. Manginy fotsiny ireo Malagasy an’aliny mivelona amin’ny famarotana ny vokatry ny orinasa, ankoatra ireo mpanjifa. Mangataka amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina mba hijery akaiky izany. Lasa isika samy Malagasy indray no mifamotika, hoy ny talen’ny Fitantanana ny Tiko Lanto Rabenatoandro. Manao antso avo amin’ny rehetra, indrindra fa ny fanjakana manoloana izao zavatra mahazo ny Tiko AAA izao. Ny eto Madagasikara tsy misy fiantohana momba ny fahaverezan’asa, ka midika izany fa tsy misy ny fiheverana azy ireo fa lasa tsy an'asa fotsiny izao ireo mpiasa. Dingana manaraka azo atao ny fanagiazana ny kaontiny hanerena azy hifampiraharaha an-tsoratra ny  fanarahan-dalàna. Ny faran’ny herinandro teo moa dia voalaza fa saika hakatona ihany koa ny Magro, saingy noho ny fisaonam-pirenena noho ny fodiamandrin’i Pr Zafy Albert no tsy nanaovana azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT