Toekarena

Faritra Vakinankaratra Sahirana amin’ny famoaham-bokatra


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Manatsara ny toekarem-pirenena ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana any amin’ny faritra. Ho an'ny faritra Vakinankaratra manokana, efa manomboka hita taratra ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha na dia maro aza ireo sakana.

 

 

 Ankoatra ny olana eo amin’ny fikarakarana ny taratasy mantsy dia mampikaikaika ihany koa ny faharatsian’ny lalana amin’ny famoahana ny vokatra. Antony nivondronan'ny mpandraharaha ho iray ao anatin’ny FIvondronan’ireo Orinasan’i Vakinankaratra na ny FIOVA mba entina hifanampiana hitadiavam-bahaolana. Ity faritra ity izay manana orinasa miisa 115 izay misehatra amin'ny fanodinam-bokatra ho lasa sakafo avokoa ny ankamaroany ary mamatsy ny 70%  ireo sakafo voahodina manerana an'i Madagasikara. Miankina betsaka amin'ny tantsaha sy ny lalana ny famoaham-bokatra any amin’ny Faritra Vakinankaratra. Amin’izany no tokony hanomezana sehatra azy ireo hampiroboroboana ny faritra sy ny tontolo ambanivohitra ary ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa entina hamoahana sy hivarotana ny vokatra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT