Toekarena

Faritra mpamokatra lavanila Anjakan’ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 10 Martsa 2020

Mbola manjaka ny fangalarana lavanila amin’ireo faritra 8 mpamokatra eto Madagasikara, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian

 

nandritra ny fanokafana ny fotoam-pivorian’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena omaly. Saika lasibatry ny tsy fandriampahalemana avokoa ireo faritra ireo, hoy izy ka mila paikady matotra ny fifehezana ireo tambajotran’olon-dratsy mpangalatra lavanila. Hiankinan’ny toekarena ny vokatra lavanila satria mahatratra 700 tapitrisa dolara isan-taona ny vola ampidiriny ary izy no laharana faharoa amin’ny fampidirana vola vahiny. Araka izany dia tena ilaina ny fiarovana ny vokatra ary tsy maintsy atao amin’ny fomba rehetra ny ezaka ny amin’izany,  hoy ny praiminisitra. Tokony hisy, hoy izy ny tatitra mazava isan-taona mahakasika ny lanjan’ny lavanila nangalarin’ireo dahalo sy ny tratra hanaovana ny tomban’ezaka rehetra. Miankina amin’izay ihany koa ny fiverenan’ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha misehatra amin’ny lavanila ny mpitandro ny filaminana. Tokony hihatsara isan’andro ny vokatra ary azo tsapain-tanana ny ezaka, indrindra ny any amin’ireo faritra ireo hoy hatrany ny lehiben’ny governemanta. Tamin’ity fanokafana fivoriana ity moa dia nanambara ny tenany fa misy ny mpitandro ny filaminana efa manao ny asany. Hampirisihina hatrany ireo hafa hanao ezaka sy hametraka fanamby,  indrindra ny amin’ny tokony hamakiana ireo faritra mena sy ny hampitsaharana tanteraka ny asan-dahalo.

Tsirinasolo

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT