Toekarena

Faritra misy hain-tany Tratra farany ara-toekarena


  • Zoma 19 Jolay 2019

Firenena 196 no handray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-14 momba ny fahamainan’ny tany any New Delhi India.

 

Amin’ny 2 hatramin’ny 13 septambra ho avy izao no hanatanterahana izany ary manana solontena ho any i Madagasikara. Ny faritra Atsimon’ny Nosy tahaka ny faritra Anosy sy Androy moa no tena voakasika amin’izany fahamainan’ny tany izany ka mahatonga ireo faritra ireo ho sahirana tanteraka ara-pivelomana ary tratra aoriana mihitsy amin’ny fampandrosoana. Tsiahivina fa efa nisy ihany ny paik’ady iadiana amin’ny fahamainan’ny tany napetraka nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena ny taona 1977 ka nankasitraka izany ireo firenena rehetra nandray anjara  ary anisan’izany i Madagasikara saingy tsy hita taratra ny fampiharana azy hatreto.  Takian’ny fiarahamonim-pirenena ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra rehetra amin’izao fotoana izao mba hisy akony amin’ny fampiroboroboana ny eny ifotony hanatsarana ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT