Toekarena

Faritra Menabe Mampidi-bola betsaka ny fanondranana lamàtra


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Miantraika any amin’ny varotra ivelan’i Madagasikara ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Anisan’ny voakasik’izany ny sehatry ny jono, satria tsy afaka miondrana ny hazandrano toy ny drakaka,

 ny makamba ary ny lamatra (Thon). Ity farany ity no hazandrano betsaka indrindra aondran`ny faritra Menabe eto an-toerana sy any ivelany. Manana morontsiraka mirefy 300 kilaometatra ny faritra ka ahitana harena anaty rano maro. Na dia tsy misy afa-tsy ny mpanfifa eto an-toerana no mividy dia tsy manaka ny minisitera mpiahy no manatsara ny kalitaon` ny lamàtra. Manatanteraka fitsirihana an`io hazandrano io any amin`ny faritra ireo tomponandraikitra. Napetraka, araka izany, ny birao fitsirihana ny kalitao ara-pahasalamana ho an`ny hazan-drano sy ny fiompiana anaty rano. Mampiditra vola betsaka ho an` ity faritra ity io vokatra io ka apetraka ny fanarahan-dalàna mba ho voatahiry tsara ireo harena anaty rano ireo. Madagasikara dia firenena manankarena olona, harena voajanahary ary tsara toerana ara-jeostratejika no toerana idealy hanaovana izay karazan- tetikasa rehetra miompana amin’ny fihariana ara-jono eto amin’ny Ranomasimbe Indiana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT