Mifampitaona amin’ny foaran’ny fambolena sy fiompiana, izay nosokafana omaly 7 jolay tany Tsiroanomandidy ny kaominina 30 any amin’ny Faritra Bongolava.
Tranoheva 100 no anehoana fa mamokatra i Bongolava. Ankoatra ny varotra fampirantiana, misy ihany koa ny hetsika ara-koltoraly. Telo andro no hanatanterahana ny “FOARA A.B”, izay miditra amin’ny andiany faharoa. Nanokatra ny tsenabe tamin’ny fomba ofisialy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Voaporofo amin’ny alalan’ny fanatanterahana ity foara ity fa faritra mamokatra sy kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara i Bongolava. Saika tantsaha avokoa ny 80%-n’ny mponina. Nanambara ny lehiben’ny governemanta fa tafiditra ao anatin’ny paikady natao Dinasa ny fanomezana tombondahiny ny tontolo ambanivohitra satria voalaza fa ny fambolena no antoky ny fampandrosoana. Tokony hampiana ny tantsaha amin’ny lafiny maro. Betsaka ireo ezaka efa nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana lanja ny tontolo ambanivohitra toy ny fanomezana traikefa ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ireo tetikasa toy ny PROJERMO, ny fanapariahana zezika sy masomboly entiny hamokarana, ny fanaovana lalana any amin’ireo toerana mitondra fampandrosoana ara-ekonomika ary ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fametrahana toeram-pitsaboana. Eo ihany koa ny tantsoroka omen’ny fanjakana amin’ny fanomezana tany ireny tantsaha ireny. Toa resaka sy kabary ambony latabatra aloha no betsaka raha mitaha amin’ny asa. Marihina fa tonga nanatrika ny lanonana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Andrianisa Mamy Jean Jacques, ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Harry Laurent Rahajason, ary ny sekretera eo anivon’ny raharaham-bahiny misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, Bary Rafatrolaza, ny talen’ny kabinetran’ny praiminisitra, Rakototafika Constant ary ireo tompon’andraiki-panjakana amin’ny faritr’i Bongolava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.