FARITRA ATSINANANA

Nisokatra omaly ny taom-piotazana lodsia 2023


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Manomboka androany talata 21 novambra amin'ny 3 ora ny taom-piotazana lodsia 2023,

ho an’ny Faritra Atsinanana. Efa miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny sambo hitondra lodsia manodidina ny 18 000 taonina ho any ampita, hamonjena ny Tsenan'ny Krismasy. Efa vonona ihany koa ireo mpanangom-bokatra maherin'ny 1 000, nahazo "Agrément" tamin'ny Faritra, hividy ny lodsian'ny tantsaha eny ambanivohitra. Raha hiverenana kely ny tamin’ny herinantaona izany hoe ny taom-piotazana 2022-2023 dia 14 270 taonina no vokatra lodsia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Ka ny 13 380 taonina nentina sambo ary ny ambiny notaterina tamin’ny fiaramanidina. Manodidina ny 5 euros na 24 720 Ariary eo ho eo moa no vidin’ny iray kilao amin’ny lodsia malagasy eo amin’ny tsena eoropeanina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT