Toekarena

Faritra Atsinanana Mety tsara ny fiompiana trondro


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Raha tena mampitaraina ny maro tokoa hatramin’izao ny fidangan’ny vidin’ny trondro eto an-drenivohitra dia mifanohitra amin’izay tanteraka ireo karazan-trondro avy any amin’ny faritra Atsinanana, indrindra fa ny tilapia.

 Tsy mba nanana olana tamin’ny tsy fahampian’ny ranon’orana mantsy izy ireo tamin’ny fotoam-pahavaratra farany yteo, raha araka ny fanazavan-dRtoa Andrianambinina Celestine, teknisiana eo anivon’ny fikambanana tilapia de l’Est. Efa manara-penitra tanteraka mantsy ho azy ireo ny dobo hampiasaina no sady mafana ihany koa ny toe-tany any Atsinanana ka vetivety dia lehibe ny trondro. Ao anatin’ny telo volana sy tapany dia efa mahatratra 300 hatramin’ny 350 grama ny lanjan’ny trondro tilapia iray. In-droa na in-telo mampiakatra trondro ny dobo iray ao anatin’ny 12volana ka hahazoana 500 kg raha kely indrindra ny dobo iray. Miezaka mampahafantatra io vokatra trondro io etsy amin’ny Stade annexe Mahamasina ny fikambanana ankehitriny no sady mivarotra zana-trondro. 12.000 Ar ny iray kilao raha 300 Ar kosa ny zana-trondro iray mirefy 3,5 sm.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT