Toekarena

Faritra Atsimo Atsinanana Faharoa amin’ny faritra tratra aoriana indrindra


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Milamina amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao ny distrikan’i Midongy atsimo fa misy amin’izao fotoana izao toerana izay any amin’ny sisiny no mafampana indraindray,

 hoy ny depiote voafidy tany an-toerana, Tovondray Retsanga Brillant De L’or. Toy ny faritra rehetra any atsimon’i Madagasikara io. Samy mifanome tanana amin’ny any atsimo isika rehetra. Ny any atsimo mihitsy no kere noho ny resaka toetr’andro sy ny namany. Raha laharana faharoa amin’ny faritra tratra aoriana eto Madagasikara ny faritra Atsimo atsinanana dia antony mahatonga izany i Midongy sy Befotaka atsimo. Misy ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana matoa izahay mahazo anjara masoandro amin’ny fotodrafitrasa avy amin’ny minisitera tsirairay. Ny olana dia amin’ireo orinasa manatanteraka asa izay mba tokony ho jerena ihany, indrindra, miaraka aminay solombavambahoaka izay tokony ho ampandrenesina ihany hoe iza marina moa ny orinasa tokony hanana antso hanatanteraka ny asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT