Toekarena

Faritra ara-toekarena manokana (Z.E.S) Miahiahy ny any Antsiranana


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Tapitra omaly tetsy amin’ny hotely San Cristobal Ivato ny dinika momba ilay tetikasa ZES teto Antananarivo. Anio kosa no hijery ifotony any amin’ilay toerana atao hoe Andrakaka any Antsiranana, izay toerana ametrahana ilay tetikasa, ireo mpandray anjara liana.

 

Nifarana ny teto Antananarivo izay hita ho vitsy hatrany aloha ny mpandray anjara.  Nandrasana ihany mba ho tonga ireo mpamatsy vola sy ireo mpandraharaha nasaina kanefa dia tena tsy nipoitra ny ankamaroany. Na dia izany aza dia tapitra ny teto fa mbola misy ny fifampiresahana eo amin’ny sehatra tsy miankina (B to B) hoy Andriamatoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI (Northen Madagascar bord of strategy investement) niezaka ny tsy ho kivy. Mety efa fantatry ny any Antsiranana ihany koa ny tsy fahombiazan’ity tetikasa ity ka miteraka fanahiana be amin’ny maro any. Manoloana izany indrindra dia nanome toky Atoa Mahazoasy Freddie fa nasiana video –conférence izay mivantana mankany Antsiranana ny resaka rehetra ka afaka manatrika an’izany mivantana ny solontenan’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra rehetra any an-toerana. Araka izany dia afaka mametraka fanontaniana manoloana izay mety ahiahy rehetra amin’ity tetikasa ity ireo mpanatrika rehefa tonga any izahay, hoy ihany ity olom-boafidy tany Antsiranana ity. Marihina ihany koa moa fa amin’ny alatsinainy ho avy izao no hanatanterahana ny fivoriana tsy ara-potoana handinihina ny lalàna mikasika ity faritra ara-toekarena manokana ity.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT