Toekarena

Faritra Anosy Manana ny harena mampiavaka azy


  • Talata 08 Mey 2018

Na dia lavitra sy ratsy lalana aza ny faritra Anosy dia manan-javatra maro hitondra fampandrosoana any ifotony sy fampiroboroboana ara-toekarena. Betsaka ireo vokatra azo trandrahana tsara ary azo aondrana any ivelany.

 

Anisan’izany ny fananany taretra sy rofia izay ahafahana manamboatra harona sy zavatra maro atao amin’ny tanana. Mampiavaka ity faritra ity ihany koa ny fananany voankazo maro mandavan-taona tahaka ny akondro, goavy, papay ary ny manga. Ireny no ahodina ho lasa “confiture” ary mamatsy ireo toerana maro. Mamokatra hatrany amin’ny 200 kilao isan-kerinandro ny koperativa mpikambana mpanodina ny voankazo izay mivondrona ao amin’ny ONG CARA (Centre d’Affaires Régional Androy) tahaka ny Tsaralaza, Taratra, Tatsimo. Ankoatra ireo mpizahatany manjifa ny asa tanana dia mandray tsy tapaka ny vokatra ihany koa ireo hotely lehibe manodidina any. Ankoatra izay, anisan’ny tena mampiavaka ity faritra ity ny  fananany dipoavatra sauvage be dia be. Mamokatra hatrany amin’ny 50 taonina ireo toerana tahaka an’i Manambaro, Ampasy, Ranomafana. Ireo mpandraharaha mpanondrana entana indray kosa no tena manjifa eny ifotony ity dipoavatra ity. Tena mahavelona ny mponina ny asa tanana sy ny fambolena atao any saingy mahaketraka azy ireo sy ny mpandraharaha mpanjifa ny tsy fandraisan’andraikitra amin’ny faharatsian’ny lalana. Olana ihany koa ny tsy fananana tsena eto Antananarivo, hany ka mianina fotsiny amin’izay olona tonga any an-toerana ireo mponina.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT