Toekarena

Farihin’i Tatamarina ao Betafo “Tokony hampiditra 400 000 000 Ar ny fihariana trondro”


  • Talata 11 Janoary 2022

Tsy latsaky ny 400 000 000 Ar ny vola tokony hiditra avy amin'ny seha-pihariana jono raha voatrandraka araka ny tokony ho izy ny farihy Tatamarina,

 mirefy 7ha ao amin'ny Fokontany Andriamasoandro Betafo, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa Mahatante Paubert. Nambara fa hisy tetikasa maromaro hotanterahina ho fanarenana ity farihy ity, izay hifarimbonan'ireo manam-pahefana any ifotony sy ny Minisitera hoy izy. Nanome ny toromarika rehetra amin'ny hanatsarana ny vokatra trondro azo amin'ny jono madinika an-dranomamy ho fampiroboroboana hatrany ny Toekarena manga ny minisitra nandritra ny fandalovany tany. Miara-miasa amin'ireo Anjerimanontolo any Antsirabe koa ny minisitera. Anisan'ny fikarohana atao miaraka amin'ireo mpianatra ireo ny fanatsarana ny kalitaon'ny renin-trondro ampiasaina any amin’ ny faritr'i Vakinankaratra. Nasongadin’ny minisitra nandritra ny fitsidihany ny farihy mirefy 90ha ao Andranobe Atsinanana, Antsirabe I ihany koa fa efa mety sy zava-dehibe ny lamina mipetraka eo amin'ny fitantanana ny farihy ao Vakinankaratra. Ny fampiakarana ny vokatra sisa no tena imasoana manomboka izao. Eo ihany koa ny fanaraha-maso amin'ny lafiny rehetra, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT