Sambany teto Madagasikara, raha ny fanazavan-dry zareo avy eo anivon’ny faribolan’ny mpahay toekarena eto na ny CREM no hisy fihaonambe hifampizarana manokana ny fepetra tokony hananana hampiarin-doha ny toekarena eto amintsika.
Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Bistrot Antsahavola fa hotanterahana etsy amin’ny Carlton Anosy izany ny 26 sy 27 martsa izao. Anisan’ny horesahana amin’izany ny fahaleovantena ara-toekarena mety amintsika, ny fihariana mety eto, ny fampivoarana ny fihariana eny ambanivohitra ary ny resaka tany manan-tsata manokana na ZES malaza be ankehitriny. Sombiny tamin’ireo fepetra nambaran’izy ireo tamin’ny ankapobeny moa ny tokony hananana fitoniana ara-politika sy sosialy ary ekonomika. Ny krizy nifanesy dia nanamarina fa tsy nety rafapetraka teto amin’ny firenena izany. mila manana politika manome lanja ny fizarana ny harem-pirenena eto isika, hoy izy ireo, ary mila mamoaka tahirin-kevitra manokana mifanandrify amin’ny tontolom-pitantanana mety amintsika satria nanimba ny politika mahazatra hatramin’ny taona 1980. Miainga amin’ny fikarohan’ireto mpikaroka ireto ny zava-drehetra ary ireo mpisehatra voakasika dia asaina daholo, indrindra ny mpitondra satria izy ireo mihitsy no hizarana ny vahaolana horaketina am-boky.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.