Fanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany

Tadiavin'ny fitondram-panjakana hatao an-tsokosoko ?


  • Alakamisy 31 Jolay 2025

Velom-panahiana tanteraka ireo fiaraha-monim-pirenena eto amintsika amin'izao

fotoana manoloana ilay fikasan'ny Fitondram-panjakana hanova na hanavao ny lalana mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara. Efa tamin'ny taona 2024 mantsy no nampiantso ireo voakasika ny fanjakana saingy mandraka ankehitriny tsy mbola nisy tohiny izany raha araka ny fanazavan-dRabenandrasana Clement, mpandrindra nasionaly eo anivon'ny OSCIE na ny Plateforme des organisations de la société civile sur les industries extractives.Manahy mafy ity fiaraha-monim-pirenena iray ity noho izany. Raha izany tokoa mantsy no misy hoy izy dia tsy hahasoa ny Firenena velively. Tokony samy haneho ny heviny ireo voakasika rehetra hoy izy fa tsy sanatria efa tonga eny anivon'ny Antenimieram-pirenena ilay lalana havaozina na ovaina vao hampahafantarina ny rehetra. Miantso ny EITI ihany koa izy ireo mba handray ny andraikiny manoloana izany. Mety hanaratsy ny naoty efa azon'i Madagasikara amin'ny fandalana ny resaka mangaraharaha momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto amintsika mantsy izany hoy hatrany ity mpandrindra nasionalin'ny OSCIE ity.
Pati
Légende : Izy no Rabenandrasana Clement, mpandrindra nasionaly eo anivon'ny OSCIE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT