Fanovana ara-toekarena

Rambony i Madagasikara, lany andro mifamotika…


  • Talata 19 Desambra 2023

Anisan'ireo firenena Afrikanina ratsy naoty indrindra amin'ny fanatsarana ny t

toekareny i Madagasikara, ary azo lazaina ho mitana ny rambony. Tamin’ny firenena 30 nanaovan’ny ACET na « African Center for Economic Transformation », dia eo amin’ny laharana faha-27 i Madagasikara, izany hoe : firenena telo sisa no aoriantsika. Zara raha 16,3/100 ny isan’i Madagasikara amin'ny fampivoarana ara-toekarena teo anelanelan'ny 2000-2020, ka Mozambika 13/100, Niger 11,9/100, Burundi 11,9/100 no hany resintsika. I Tunisie kosa no mitana ny lohalaharana izay manana isa 69,5/100, arahin’i Afrika Atsimo 60,4 ; Maroc 60,2 ; Eswatini 60,2 ; ary eo amin’ny laharana i Maurice izay manana isa 59,1. Matoa ratsy toerana sy mivarina hatrany i Madagasikara, dia tsy mahomby izany ny politikam-pitantanana, tsy mazava sy ratsy fototra ny politika ara-toekarena,… Nanampy trotraka izany ny krizy ara-politika namotika firenena. Tsy resaka fanasohasoana olona raha mampahatsiahy, fa efa fitaratry ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny indostria na ny ONUDI isika tamin’ny resaka fampiroboroboana ara-indostrialy tany amin’ny taona 2008, ary isan’ny ambony indrindra taty Afrika ny fiakaran’ny harin-karena izay nahatratra 7,1%. Nahoana isika no tsy nitsahatra nihetry tato anatin’ny 15 taona ? Hita taratra tamin’ny lafiny maro io : tahan’ny mahantra, firongatry ny kolikoly, tondro momba ny mahaolona,…
MILA FITIAVAN-TANINDRAZANA
Betsaka ireo lafin-javatra ahafahana mahomby amin’ny fampivoarana ara-toekarena, toy ny politikam-pamokarana, ny fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana, ny tontolon’ny angovo, ny tontolo ara-pandraharahana sy ara-pampiasam-bola, fifehezana ny harem-pirenena, ny fitantanana tsy mangarahara, kolikoly,… Mila ilay fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na « patriotisme économique » i Madagasikara ary ny hany afaka tena ho hery voalohany amin’izany dia ny mpandraharaha Malagasy saingy miharihary eto ny mizana tsindrian’ila satria toa isika samy isika no mifamotika, mifanagadra,… Rehefa ny Malagasy no mivoatra sy mamiratra dia matetika tratry ny fanenjehana ho nangalatra sy nanao afera maloto, fa rehefa ny vahiny afaka manao izay tiany hatao. Betsaka no potehina noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika izay mety misy tokoa ny fahadisoan’ny sasany fa moa tena mitovy ve ny fitondrana ny Malagasy sy ny vahiny ? Betsaka no lasibatry ny fitakiam-bola mihoampampana na « redressement fiscal », ao ny potehina ankitsirano, nisy aza ny nodorana sy notrongisina,… Tsy tena miaro sy manosika ny mpandraharaha Malagasy ny mpitondra fa mamotika aza.
NY MALAGASY NO VOALOHANY AFAKA HAMPANDROSO AZY
Rehefa jerena anefa ireo firenena mandroso, dia saika ireo mpandraharaha sy mpanam-bola ao aminy no tena hery ho an’ny toekareny ary mifamelona ny Fanjakana sy ny mpandraharaha fa tsy mifamono. Ohatra iray mivaingana ohatra ny tranga tany Etazonia rehefa vizana noho ny fitosaky ny fiara sinoa ny indostrian’ny fiakodia, dia ny Fanjakana mihitsy no namoaka 300 miliara dolara nanavotana azy tao anatin’ny Fitondran’i Donald Trump, izay nametraka an’ilay « America First again » na ho lohalaharana hatrany. Raha voasokajy ho isan’ny mihazakazaka ny fandrosoan’i Nigéria, dia isan’ny mitondra anjara biriky betsaka amin’izany ireo mpanefoefo goavana toa an-dry Aliko Dangote. Ny antsika eto kosa manao ahoana ? Tsy fankahalana vahiny fa izy ireo aloha no mitana ny lohalaharana, manao ny mafana sy ny mangatsika, ary mifehy ny toekarena amin’izay hitiavany azy, eny hatramin’ny fahefana ara-politika. Ara-politika, songonan’ny mpanam-bola ny olona niomana sy manana vina heverina fa mahomby ho an’ny firenena!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT