Toekarena

Fanotorana tany etsy sy eroa Ny vahiny no tena mahazo tombony


  • Talata 13 Febroary 2018

Mampametra-panontaniana ny maro ny fanotorana tany maro misy eto Madagasikara amin’izao, indrindra eny amin’ireny lalam-baovao toy ny eny amin’ny faritra Ankazomanga, Ankorondrano, Ankasina (Boulevard de l’Europe), na ny eny amin’ny Marais Masay hatrany amin’ny lalambe vao vita tsy ela dia ny eny Andohatapenaka mankany Ivato iny.

Mijoalajoala avokoa ny trano izay miorina ary mazava ho azy fa teratany vahiny tahaka ny mahazatra no misitraka ny toerana. Raha ny eny Ankasina sy ny manodidina iny izao dia teratany sinoa sy karana no maro manangana trano eny ary matetika trano lehibe atao tsena (centre commercial) toy ireny hita etsy Behoririka ireny no ataon’izy ireo. Ny Malagasy anefa no tokony ho voalohan-daharana amin’ny fanorenana atao ary ireo mpandraharahantsika no tokony hampiasa vola haingana amin’ireny toerana misy lalam-baovao ireny saingy noho ny fahasahiranana dia ny vahiny no tonga aloha sy manana ny fahefana amin’izany. Manaitra ny maro ihany koa ny fahatongavan’ny jiro sy rano amin’ny fomba haingana eny amin’ireny trano atsangan’ireo vahiny ireo. Iaraha-malala mantsy ny fijalian’ny Malagasy rehefa mampiditra rano na jiro, indrindra rehefa mandeha amin’ny fomba ara-dalàna (voie normale) fa an-taonany maro vao tafiditra. Na amin’ny lafiny fahafahana manorina aza dia hita fa mahavita mamoaka haingana ny fahazoan-dalana manorina (permis de construire) ny tompon’andraikitra mikarakara izany rehefa ho an’ireo vahiny kanefa dia fijaliana ho an’ny sarababem-bahoaka  ny miandry taratasy. Zary lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy ka tokony hojeren’ny mpitondra izay ho lany manaraka eo ny fanamorana ny fahafahany manorina sy mampiasa vola amin’ireny lalam-baovao ireny satria efa lesoka tamin’ity fitondrana ity izany.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT