Toekarena

Fanotofana tany eny Ampitatafika Ho fanitarana ny tanàn-dehibe


  • Zoma 13 Oktobra 2017

Anisan’ny raharaha iray mitana ny sain’ny maro hatreto ny asa fanotofana tany eny amin’ny tanimenabe ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.

Anisan’ny raharaha iray  mitana ny sain’ny maro hatreto ny asa fanotofana tany eny amin’ny tanimenabe ao anatin’ny kaominina Ampitatafika. Nitondra fanazavana mahakasika izany Rakotomavo Albert, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanana omaly ka nambarany tamin’izany fa ho fanitarana ny tanan-dehibe  izay efa tototra tanteraka no antony nanotofana io tany io ao amin’ny faritra iadidian’izy ireo io no sady hanomezana asa ny tanora ao Ampitatafika ihany koa. Tany efa tsy niasa nandritra ny 40 taona ireo tany ireo hoy izy ka  nanaovan’ny tompony lava-biriky fotsiny. Tian’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina loatra anefa ny kaominina Ampitatafika hoy hatrany  izy ka novidiany amin’ny anaran’ny tenany sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ireo tena  tompony ny tany ny tany izay misy taratasy fifampivarotana ara-dalana sy mazava tsara. Fito hatramin’ny valo ha eo ho eo ny refin’ny tany raha kely indrindra izay fantatra fa mbola hiitatra hianatsimo. Foto-drafitrasa maro no kasaina hatsangana eny an-toerana raha araka ny fantatra hatrany toy ny trano fivarotana lehibe,  ny tobim-pivarotan-tsolika…Natao hanomezana asa avy hatrany ny tanora ao Ampitatafika ny fananganana izany raha toraka izay ihany koa rehefa vita ny asa mba hahafahan’ny tsirairay mivelona araka ny tokony ho izy. Tsiahivina moa fa anisan’ny manohana akaiky izao fanitarana ny tanan-dehibe eny Ampitatafika izao ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT