Toekarena

Fanorenana tohodrano any Lesotho Olona 8000 no very fivelomana


  • Talata 11 Febroary 2020

Nisy ny fanorenana tohodrano izany nanala olona efa ho 8.000 tany Polihali Lesotho.

 

 

 

Very fivelomana tanteraka ireo olona ireo noho ity fanorenana vaovao ity araka ny fanambaran’ny fikambanana Amnesty International. Rehefa izay dia nanao antso avo tamin’ ny manam-pahefana izy ireo mba hampitsaharana ny fanorenana ity tohodranon'i Polihali ity.  Tsy hahazo tombony ireo mponina any araka ny fanazavana satria hanome rano ho any Afrika Atsimo no hanatanterana ny tetikasa. Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ny fikambanana Amnesty International fa nahita rosia izay mampiseho fa misy ny olona nafindra toerana nomena vola kely izay tsy araka tokony ho izy.  Mitentina   1 dolara mahery monja izany ho solon'ny fanorenam-ponenana hatao indray manodidina an’i Mokhotlong izay tena lavitry ny trano taloha. Nilaza ny fikambanana fa tsy misy dikany ny onitra naloa fa fanambakana no natao. Nanambara mihitsy ny Talen’ny Amnesty International eo anivon’ny Afrika Atsinanana sy Atsimo, Deprose Muchena fa manohintohina ny zo maha-olona ny zava-misy any Lesotho. Ny fanorenana io tohodrano io dia tsy tombony mihitsy ho an’ny mponina any ary ny tena mampalahelo hoy izy ny mahita ireo vahoaka nivelona tamin’ny fiompiana sy fambolena tao nefa dia very anjavona izany ankehitriny. Izany indrindra hoy izy no hiantsoana ny manam-pahefana any Lesotho hampitsaharana ny asa rehetra ao Polihali fa tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona ny fandroahana ireo mponina ireo. Tsy maintsy misy aloha ny fifampidinihana amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny Governemanta ary indrindra ireo voakasiky ny tetikasa mba hijerevana ny tena onitra tokony hositrahin’ireo vahoaka ireo.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT