Toekarena

Fanorenana ifotony an’i Madagasikara “Tsy tonga ny mpitondra nefa raiamandreny no niantso”


  • Zoma 23 Septambra 2022

Amin’ny maha raiamandreny mpiahy ny Vondrona politika FIAM na fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny tenako, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland,

dia hoy aho hoe tsy misy zavatra mandeha mihitsy eto Madagasikara izao. Raha tsy manao fanorenana ifotony ny rafitra tena ahafahana mampandroso an’i Madagasikara isika dia tsy ho tafavoaka ity firenena ity. Na iza na iza atao filoham-pirenena eo dia tsy ho tafavoaka ny firenena. Mila ovana daholo ny fehezan-dalana eto Madagasikara. Mila misy bankim-pampandrosoana eto. Mila asiana ireny toerana akana retiretin’ny mpiasam-panjakana toy ny any am-pitan-dranomasina ireny. Mila famoronana asa. Marobe ny ilaina atao eto. Misy harena maro eto kanefa tsy haintsika ny manodina azy ho tombontsoan’ny maro an’isa. Ho an’ny FIAM dia ny fanorenana ny rafitra no zava-dehibe. Tokony hijery ny tombontsoam-pirenena ny rehetra. Ilaina miara-maneho hevitra anaty fikaonandoham-pirenena ny rehetra. Efa niantso moa ny FFKM tamin’ilay fotoam-pivavahana teo. Tsy tonga ny mpitondra nefa raiamandreny no niantso. Andrasana ny tohiny, hoy hatrany ny FIAM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT