Toekarena

Fanorenan-trano etsy sy eroa Misy Malagasy tena manam-bola


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Miaina tanteraka anaty fahantrana ny Malagasy. Maro no mitaraina fa sahirana amin’ny fivelomana. Mampametra-panontaniana ihany anefa ny fananganan-trano maro misy, indrindra eto Antananarivo.

Na mivoaka ny renivohitra ary dia hita ho betsaka ireo manorina trano eny rehetra eny. Efa mananika ny 30.000 Ariary anefa ny simenitra iray ary midangana hatrany ihany koa ny vy izay tena andry iankinana amin’ny fanorenana. Ny fer 8 izay tena mandeha dia efa manodidina ny 15.000 Ariary ny iray. Amin’izao fotoana izao dia simenitra 20 sy vy 8 isan’andro farafahakeliny no lafo, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpivarotra iray. Tsara ny tsena na dia nandalo matetika aza ny rivodoza tato ho ato. Mazava ny resaka fa tena misy Malagasy manam-bola sy tsy mahafantatra izany fahasahiranana na krizy izany . Nanamarika ihany aloha ity mpivarotra ity ny amin’ny fananany mpanjifa raikitra izay efa manana trano maro. Misy ihany koa anefa ireo izay nanangana trano efa ela saingy mbola tsy vita noho ny fahasahiranana tampoka. Araka izany dia mandeha tsikelikely eny ny asa arakaraky ny fahafahana. Na izany aza anefa dia hita hatrany ny fahasahiranan’ny Malagasy izay mba manao trano. Tsy maintsy miafy ny fianakaviana amin’ny lafiny maro rehefa manorina trano ary matetika aza moa dia saika mindram-bola amin’ny banky na miditra trosa hatrany ny olona rehefa manao fanorenana.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT