Fanondranantsika entana any Chine

8900 no afaka miditra tsy misy haban-tseranana


  • Zoma 29 Desambra 2023

Nihatra nanomboka ny 25 desambra lasa teo ilay fanamorana ny fanondranana entana Malagasy

amin’ny tsena sinoa, amin’ny alalan’ny fanafoanana ny haban-tseranana. 98% amin’ny vokatra Malagasy haondrana any amin’io firenena io no hahazo izay fanalefahana izay. Voalaza fa nakarina io satria 97% no nofaritana tany am-piandohana. Mahatratra 8 930 ireo karazam-bokatra voakasika ka tafiditra ao anatin’izany ny lavanila, ny hazan-dranomasina, ny cacao, ireo hanitra amin’ny sakafo samihafa,… Ireo vokatra tena mampiavaka an’i Madagasikara izany no isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanalefahana ny fisitrahan’ny tsena sinoa izany. Tsara hatrany no mampahatsiahy, fa firenena miisa 6 miaraka amintsika no vao nampidirana ao anatin’io, dia i Angola, Gambie, Mali, Mauritanie, ary RD Congo, ka nampiakatra ho 27 ireo Firenena Afrikanina mahazo io fanalefahana amin’ny fanondranana entana makany Chine io. Dingana manaraka voalaza fa kasain’ny sinoa hatao ny hampihatra io fanafoanana ny haban-tseranana io ho an’ireo firenena rehetra mbola tsy mandroso izay ananany fifandraisana ara-diplaomatika. Ankoatra ny fanamorana ny fidiran’ireo entana makany aminy, dia firenena voalohany manatobaka ny entana sy ny vokatra avy aminy maneran-tany ny sinoa, fa ny kalitaony no mety tsy mitovy fa toa arakaraka ny harin-karena sy ny fahefa-mividy ao anatin’ilay firenena. Mafy ihany koa izy ireo amin’ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny Firenen-kafa, indrindra aty Afrika, amin’ny lafiny fitrandrahana akora fototra sy harena an-kibon’ny tany, ny fitadiavana tsenan’asa amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny fanamboaran-dàlana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT