Toekarena

Fanondranana volamena Hakarina ny 8% ny tamberim-bidy


  • Talata 23 Aogositra 2022

Taorian’ny fakan-kevitra nasionaly momba ny fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, hakarina hatramin'ny 8 isan-jato ny tamberim-bidy avy amin'ny fanondranana volamena,

raha 2 isan-jato izany amin'izao, araka ny nambaran'ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier omaly 22 aogositra nanoloana ny mpanao gazety. Hapetraka ihany koa ny "régime de l'or", ka nambara fa efa miroso tsikelikely amin'ny fanatanterahana an'io ny fanjakana, natomboka tamin’ny fitairizana ny volamena ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara izany. Hojerena ny lalàna, manomboka any amin'ny fitrandrahana volamena ka hatrany amin'ny fanondranana. Tafakatra hatrany amin'ny 800 tapitrisa dolara ny vola tsy tafiditra tanaty kitapom-bolam-panjakana ny taona 2017 hatramin'ny 2019. Milanja 6 hatramin'ny 7 taonina ny volamena tokony ho nisy fampodiana vola ny fanondranana azy. Tokony hisy fiantraikany amin'ny fahamarinan-toeran'ny ariary anefa izany, hoy ny minisitra. Tsar any mampahatsiahy fa efa ny oktobra 2020 izany hoe: telo taona latsaka izay no naato ny fanondranana volamena ara-dalàna. Ny trafika kosa anefa tena nanjaka tao anatin’izao Fitondrana Rajoelina izao, ary matetika olona ambony ao anaty Fitondrana no voatonontonona, vao ny 21 jolay 2022 teo ohatra dia vadina loholona sy vadina depiote no voasambotra tany Nosy-Be, ankoatra ireo olona ambony maro voatonontonona tahaka ny depiote, Minisitra,… Isan’ny navoitra ihany koa ny lithium izay mila lalàna matotra mba tsy hahafaty antoka an'i Madagasakara satria manana betsaka izany koa ny firenena, raha ny nambaran’io Minisitra io. Nahitana fiakarana hatramin'ny 100 isan-jato ny vidin'izany raha oharina tamin'ny taon-dasa. 6.420 dolara ny iray taonina amin'ny lithium tamin'ny volana janoary 2021 raha tafakatra 11.800 izany ny volana janoary taona 2022. Heverina ho tafakatra avo 40 eny ny vidin'izany ao anatin'ny 20 taona. Tapitra omaly ny fakan-kevitra. Hataon'ny fanjakana araka izay haingana kosa ny famondronana ny hevitra rehetra, ary ezahina ny hampidirana ny volavolan-dalàna eny anivon'ny parlemantera roa tonta amin'ny fihaona'izy ireo manaraka, hoy ny Mpitondra. Rahoviana no hiverina amin’ny laoniny ny fanondranana volamena sa mbola hohalavaina ny fangejan’ny mafia hatrany io sehatra io ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT