Toekarena

Fanondranana vokatra any Sina Anisan’ireo tany afrikana voafantina i Madagasikara


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Minisitra Edgard Razafindravahy teny Ambohidahy omaly ny delegasionan’ny Foiben’ny Varotra Iraisam-pirenena (ITC) notarihin’i Jiang Xuejun.

Nifampiresahana ny hanatsarana ny fahafahana manondrana vokatra avy aty Afrika mankany Sina. Tetik’asa izay tantanan’ny ITC sy ny Governemanta sinoa ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Anisan’ireo tany afrikana valo voafantina hisitraka izany i Madagasikara. Tanjon’ity Tetik’asa ity ny fandraisana anjara amin’ny famoronana asa sy fampihenana ny fahantrana any amin’ireo tany iasàna. Ho ampitomboina araka izany ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ireo tany afrikana sy Sina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny sakafo. Tokony hisy fiantraikany mivaingana amin’ny mponina ny fanohanana toy izao, hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy Fanjifana, mba tsy ho fandaniam-bola fotsiny. Azo eritreretina ny hanokafana Masoivoho na Birao hisahana ny fenitra sinoa eto Madagasikara mba ho entana mahafeno fepetra ireo ho anondrana any Sina. Izany dia hialàna amin’ny mety ho fandavana ny vokatra avy eto amintsika na koa handatsahana ny vidiny. Haharitra telo taona moa ny Tetik’asa. Hatreto dia orinasa efatra misehatra amin’ny famokarana menaka azo avy amin’ny zava-maniry no naneho faniriana hiditra amin’ity Tetik’asa ity ary handray anjara amin’ny tsenabe « China International Export » any Shanghai sy ny « China-Africa Economic Trade Export »
Nangonin'i Jean D. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT