Fanondranana makamba

Nisokatra ny 01 martsa, hampiditra 16 miliara amin’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 01 martsa 2024 teo ny jono makamba izay

nikatona tao anatin’ny 3 volana nanomboka ny 31 desambra 2023. I Mahajanga no ivon’ny jono makamba indostrialy eto Madagasikara, araka ny famaritana nataon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Manodidina ny 35 ka hatramin'ny 47 eo ny isan'ny sambo manjono makamba ary vokatra 3.000 taonina hatramin'ny 3500 taonina isan-taona eo ny vokatra azo amin'ny jono makamba izay nampiditra "redevance" mitentina 16 Miliara Ariary tamin'ny kitapom-bolam-mpanjakana taorian'ny nametrahana ilay "réforme" izay napetraka ny faran'ny taona 2021, raha ny tatitra. Aondrana ny 90% amin’ny makamba eto Madagasikara. Raha ny antontan’isa moa, dia ny mitazona ny 12,05%n’ny tsena aty Afrika i Madagasikara. Firenena maro no anondranana izany. Lohalaharana i Frantsa (nanondranana makamba 5 085 Taonina), Chine (918 T) ary Espagne (224 T), araka ny tatitry ny antontan’isa ny taona 2021, avy amin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Ho an’ny aty Afrika, mitazona ny 12,05%n’ny tsena ny vokatra makamba avy eto Madagasikara. Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy ny seha-pihariana makamba satria voalaza fa tafakatra 15 000 000 000 ariary izany tamin’ny taona 2023, raha nanodidina ny 2.900 000 000 ariary isan-taona talohan’ny taona 2021. Nahatratra 6 436 Taonina ny vokatra makamba naondrana ny taona 2021, nitetim-bidy hatrany amin’ny 84,21 tapitrisa USD na 320 miliara ariary, raha ny antontan’isan’ny EDBM hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT