Toekarena

Fanondranana makamba Nahatratra 9.287 taonina ny taona 2019


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Sehatra anisan’ny mampidi-bola anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny lalam-pihariana makamba.

 

 

 

 Hikatona ny fanjonoana manomboka ny 1 desambra ho avy izao araka ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 14 novambra lasa teo. Voakasik’izany avokoa ireo orinasa lehibe na ireo mpanjono madinika. Ireo orinasa na mpanangom-bokatra kosa dia tsy maintsy manao ny fanambarana mahakasika ny tahiriny ny 30 novambra hatramin’ny 18 desambra ho avy izao . Raha 10.000 taonina ny makamba azon’i Madagasikara folo taona lasa dia nihena ¼ izany noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Na izany aza dia nihatsara ny vokatra makamba tanatin’ny 2 taona farany ary niakatra ny tahan’ny fanondranana tamin’ity taona ity. Raha  8.666 taonina no naondrana tamin’ny taona 2016 dia tafakatra 9.287 taonina kosa izany tamin’ity taona 2019. Nampidi-bola hatrany amin’ny 500 miliara Ariary tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny sehatra jono tary ny 200 miliara amin’izany dia avy amin’ny makamba avokoa.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT