Toekarena

Fanondranana lavanila 2021-2022 Nilanja 2360 taonina, nampiditra 590 tapitrisa dolara


  • Talata 27 Desambra 2022

Namoaka tatitra ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ny varotra ary ny fanjifana omaly,

fa nampiditra vola vahiny 590 tapitrisa dolara ny fanondranana lavanila 2360 taonina tamin’ny taon-dasa, taom-piotazana 2021-2022. Nambara fa ambanin’izany ny vokatra teo aloha fa ny fanombohan’ny fanadiovana sy fanavaoazana natao no nahazoana izany. Tanjona ny tsy hahavoambaka ny tantsaha, ary hahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony, ary ny hidiran’ny vola vahiny. Rehefa mijery ny tsena ivelany sy nifampiresaka tamin’ireo mpividy anefa dia tsy ampy ny tolotra ho an’ny lavanila ka mila ezaka, raha ny tatitra nataon’io Minisitera io. Voalaza mantsy fa 5500 taonina no ilain’ny tsena ivelany, kanefa ny vokatra Malagasy tsy misy afa-tsy 2000 taonina mahery kely. Manoloana an’io, naneho ity Minisitera fa afaka mamaritra ny vidiny amarotana Malagasy ny lavanila araka ny tolotra sy ny tinady ny firenena Malagasy. Nomarihina fa ny 90%n’ny tsenan-davanila voaara-maso no nampihatra ny vidiny farany ambany 75 000Ar/kg avokoa, noferana 500 000Ar/kg kosa ny lavanila maina. 250 dolara kosa moa no namerana ny vidiny farany ambany amin’ny fanondranana. Raha tarafina amin’ilay hoe: 590 tapitrisa dolara, tokony mba ho hitany ihany izany amin’ny tsenam-bola hitazonana ny sandan’ny vola ariary, saingy tsy dia hita taratra firy. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny fampanantenan’ny kandida Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018 ny fampiakarana avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Vokany, ireo faritra mpamokatra lavila no nahazoan-dRajoelina isan-jato ambony indrindra dia i SAVA sy Analanjirofo izay nanakaiky ny 90%. Raha nahatratra 600 dolara anefa ny vidina lavanila ny 2016-2018 izany hoe: 1800 dolara raha kajiana amin’ilay avo telo heny nampanantenaina, dia nitontongana very sasaka mahery kosa rehefa lany I Andry Rajoelina. Ny vidiny hakana azy eny amin’ny tantsaha moa dia tena latsaka ambany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT