Fanondranana harena an-kibon’ny tany

Nofoanana indray ny « droit de sortie »


  • Zoma 15 Desambra 2023

Nofoanana ny fandoavana haba ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany noho

ny lesoka naterany amin’ny fampidiram-bola amin’ny kitapombolam-panjakana, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana Atoa Lainkana Zafivanonana. Tamin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 dia 1 hatramin’ny 5% ka nofoanana. Zara raha 3 lavitrisa Ar no nampidiriny raha toa ka 2000 lavitria Ar no noeritreretina, hoy ny fanazavana. Tamin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 dia napetraka ny haba amin’ny fanondranana satria mahatsapa fa miantraika amin’ny tsy fahafahan’ny firenena misitraka ny harem-pirenena ny famerenana vola, ambany dia ambany mety 1% no hanaovana fanambarana. Rehefa nandeha ny fifandresen-dahatra niaraka tamin’ny mpandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany, dia nakarina ny vola raisina amin’ny fanondranana izay 2% hatramin’ny 3% ka nakarina ho 5% na «redevanche » ka tsy ilaina intsony ny saran’ny fanondranana «droit de sortie », hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana. Nambara fa efa matihanina ny fitaovana fanaraha-maso ny fanondranana antsokosoko. Tsara moa ny mampahatsiahy, fa taorian’ny nampiatona ny fanondranana volamena any ivelany, noho ny tsy nampodiana ny vola vahiny azo avy aminy eto an-toerana naverina nanomboka ny nvolana novambra teo ny fahazoana manondrana volamena sy ny metaly sarobidy, toy ny platina sy ny volafotsy, ny vatosoa sy ny vato sarobidy. Nambara tamin’izany, fa paikady maro no napetraka hanarenana ny lesoka, ka antony nananganana ny birao tokana, hisahana ny fanondranana any ivelany ary hisian’ny mangarahara, sy ny hanamorana ny fikarakaran’ireo manan-draharaha. Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny fanjakana ny sehatry ny fanondranana harena an-kibon’ny tany ka ny ady amin’ny kolikoly, ny fahaiza-mitantana dia zava-dehibe amin’ny fampivoarana ity sehatra ity. Tena voafehy tokoa ve anefa ny fiondranan’ny harena sarobidy avy eto Madagasikara ? Tena mahalala sy misitraka ny hareny ve ny Malagasy ? Ho tahaka izao ve ny firenena raha tena hay sy voafehy ny momba ireny ary tena tsara tantana mba tena hitsinjovana ny toekarem-pirenena ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT