Fanondranana harem-pirenena lazaina fa ara-dalàna

Mbola maro ireo tranga miteraka fisalasalana


  • Talata 20 Febroary 2024

Volamena 2 kg no naondrana amin'ny fomba ara-dalàna omaly rehefa

avy nanaraka ireo dingana sy fenitra rehetra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Naseho ny mpanao gazety teny amin’ny MBC Ivato izany. Misy ny "guichet unique" na sampana manokana amin’ireo dingana arahana amin’ny fanondranana volamena. Orinasa miisa 6 no efa nahazo alalana tamin'ny filankevitry ny minisitra hanondrana volamena. Nahazo alalana hametraka "comptoir" na fanaraha-maso momba ny volamena izy ireo. 15 taonina ao anatin'ny 5 taona no tanjona, araka ny praograman'asam-panjakana. Ny sandan'ny hetra sy ny vola aloha amin'ny volamena aondrana dia miankina amin'ny vidin'ny volamena eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Amin'izao fotoana izao dia 65 Dolara ny 1 grama. Tena lafo ny volamena ankehitriny ary ny vola vahiny miverina eto Madagasikara dia hanatsara ny fifandanjana eo amin'ny tsenam-bola fifanakalozana. Havoaka amin'ny fomba mangarahara avokoa ny anaran'ireo orinasa nahazo alalana, araka ny nambaran'ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany. Isan’ny fanontaniana manitikitika ireo mpanara-baovao kosa etsy ankilan’izay ny hoe iza avy ary ireo orinasa? Iza avy no tompony? Ahoana marina no tena fandehan’ilay hoe 500kg enjehina ahondrana ao anatin’ny 100 andro voarakitra ao anatin’ny programam-panjakana ankapobeny na PGE? Ho fampisehoana na famantarana izay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «symbole» ihany ve iny omaly iny dia tsy ahitana tohiny intsony toy ilay hoe fihaonana amin’ny gazety rehetra tsy an-kanavaka isam-bolana sa mba hitohy hatrany hatrany? Maromaro ny fanontaniana mbola mampangetaheta valiny mazava satria mangarahara tokoa rahateo no tena tadiavin’ny mpanara-baovao sy ireo heverina ho tena olompirenena marina amin’izao fotoana izao. Mbola maro, araka izany, ireo tranga miteraka fisalasalana sy tena ilàna fanazavana manoloana ilay hoe fanondranana volamena na harem-pirenena lazaina fa amin’ny fomba ara-dalàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT