Toekarena

Fanondranana entana aty Madagasikara Miaro ny anjara tsenany i Indonezia


  • Talata 26 Febroary 2019

I Indonezia dia anisan’ireo firenena manana tombontsoa sy anjara tsena goavana amin’ny fandefasana ny vokatra mankaty Madagasikara. 5% ny anjara tsenany ny amin’ny fanondranana paty ary 20% ny vovo-tsavony.

 

 

Delegasiona miisa 12 no tonga nitsidika tetsy amin’ny biraon’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) omaly alatsinainy 25 febroary tetsy Antanimena. Hiaro ny tsena efa azony eto Madagasikara no anton-dia sy tanjon’izy ireo mba tsy hiteraka fahavoazana aminy ireo  fepetra fiarovana napetraky ny ANMCC. Tsiahivina fa nandray fepetra fanatataovana haban-tseranana 30% amin’ny fanafarana paty sy 39% amin’ny vovo-tsavony ny ANMCC ary voakasika tamin’izany ny firenena Indoneziana. Fepetra vonjimaika izay efa tokony hihatra tamin’ny 15 janoary izany saingy mbola misy ny pitsopitsony handrasana eny amin’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana, araka ny tatitry ny Tale jeneralin’ny ANMCC, Barthelemy. Nifampiresaka sy nifampiraharaha ary nohainoana ny fanamarihana rehetra nataon’ny firenena Indoneziana manodidina ireo fepetra vonjimaika noraisina taorian’ny fanadihadiana ireo. Nanamarika hatrany kosa anefa ny Tale jeneralin’ny ANMCC fa rehefa miteraka fahavoazana amin’ny orinasa Malagasy ny fampidirana ireo entana vahiny ireo na tsy maintsy atao fepetra raikitra mihitsy aza ireo fepetra fiarovana ireo. Misy ihany koa anefa ny marimaritra iraisana azo atao tahaka ny fanekena ny fampitomboana ny vokatra avy any ivelany miditra aty Madagasikara. Eo ihany koa ny mety tsy fitombonan’ny kajikajin’ny fahavoazana amin’ny orinasa Malagasy ka ilana famerenana sy fanitsiana ireo taha fanatataovana haban-tseranana  ampiharina ireo. Nanambara ihany koa Andriamatoa Barthélemy fa tsikaritra sy efa misy sahady ny fanararaotana ataon’ny sasany ny amin’ny fampiakarana ny vidin’ny paty sy ny vovo-tsavony amin’izao. Tsy nisy anefa, hoy izy ny fitakiana ny sarany fanampiny (droit additionnel) izay noraisina tamin’ireo mpanondrana vokatra mankaty ireo ka hanairana ny tompon’andraikitra izany.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT