Tanana zatra mitsotra ! Manoloana ny fahatraran’ny mpitandro filaminana sokatra 8 sy Soavalindriaka 6 Kg, tamin’ny 12 ora atoandro ny 28 janoary farany teo, tao amin’ny fokontany Bemasoandro, Antanifotsy, RN7 dia velom-panontaniana ny AVG :
“ Moa ve nisy famindram-pahefana ihany koa mikasika ny fitohizan’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena?”. Io no fanontaniana miandry valiny avy amin’i Ndranto Razakamanarina, Lehiben’ny Alliance Voahary Gasy ho an’ny Tompon’andraikitra ara-panjakana. “Raha tsy miezaka mandalina amin’ny “ investigation” haingana hatramin’ny farany sy manafay ny mpangalatra, ny atidoha mikotrika na “commanditaires” ary ny mpanao kolikoly avo lenta ny Mpitondra fanjakana vaovao dia nanao ny “famindram-pahefan'ny asa ratsy indray koa. « Silence complice » na manaiky matoa tsy miteny.
Nanantena ny AVG, araka ny fampitam-baovaon’ny Fihaonamben’ny mpikambana rehetra, ny 18 janoary teo, raha niarahaba ny filoha vaovao sady nandefa hafatra : “Farano amin’izao fitondranao izao tompoko ny gaboraraka nisy hatreto.”Araka ny ohapitenenana Malagasy :“Ny omby indray mandry tsy indray mifoha”, sy ny fomba fiteny vahiny : “Roma tsy vita indray andro”, dia azo lazaina fa tsy ho vitan’ny fitondrana vao mijoro avokoa ny hanafoana vetivety ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena efa nahazo faka fanaon’ireo efa za-dratsy. Mihevitra mantsy ny AVG fa ny filoha no tompon’andraikitra voalohany. “Ny « Alliance Voahary Gasy » dia manolotra ny fiarahabana ho an’ny filoham-pirenena vaovao, noho ny andraikitra lehibe iantsorohany amin’ny maha « vovonana iadian’ny lohany » azy eto amin’ny firenena malagasy.” Araka ny fanambarana hatrany. “Manainga manokana ny filoham-pirenena vaovao, ny “Alliance Voahary Gasy” hampiasa ny fahefana ambony nomena azy mba hiaro mafy ny harem-pirenena ka tsy hikitika izany raha tsy ny Malagasy mpiray tanindrazana no mahazo tombony be indrindra, ary hihevitra mandrakariva ihany koa izay ho lovan-jafy amam-para fa tsy ny anio dia anio ihany.” Hoy hatrany ny AVG.
Olompirenena, mpanara-maso
Tsapan’ny AVG fa mpandray anjara fa tsy mpitazana fotsiny koa ny olompirenena. “Manao antso ho an’ny mpiray tanindrazana ny “Alliance Voahary Gasy” mba hanara-maso ny toe-javatra eny ifotony, momba ny fitantanana ny harena voajanahary : ala, rano, biby, harena ankibon’ny tany, an-dranomasina, tany sns…” Mieritreritra ny hanao adisisika hihaona hiresaka mivantana amin’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny olan’ny fanondranana an-tsokosoko ny filohan’ny AVG ato ho ato. Nahatsikaritra ny fanamaivanan’ny Fitondrana farany teo ny firaisamonim-pirenena mantsy ny AVG.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.